Bokin'i Osea
Osea toko 6
Ny fiovan'ny fo no tian'Andriamanitra hiverenan'Israely aminy.
1Andeha isika hiverina amin'ny Tompo;
2fa izy no namiravira, izy no hahasitrana antsika;
mikapoka izy, nefa hamehy ny ferintsika koa.
3Rahefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika;
amin'ny andro fahatelo dia hatsangany isika,
ka ho velona eo anatrehany.
Mahalalà isika, mikeleza aina
hahalala an'ny Tompo isika.
Mahatoky, toy ny an'ny maraina, ny fiposahany;
ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona
toy ny fara-orana manamando ny tany.
4Inona no hataoko aminao, ry Efraima?
Inona no hataoko aminao, ry Jodà?
Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina,
tahaka ny ando amin'ny maraina ka levona vetivety.
5Noho izany nataoko potika, tamin'ny tenin'ny mpaminany,
novonoiko tamin'ny tenin'ny vavako izy ireo;
toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.
6Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona;
ary ny fahalalana an'Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.
7Nivadika ny fanekena, tahaka an'i Adama, anefa izy ireo;
fa nivadika tamiko teo.
8Galaada dia tanànan'ny mpanao ratsy,
sady isehoan'ny mariky ny ra nalatsaka.
9Mova tsy ny andian-jiolahy manao otrika,
ny andiam-pisorona mamono olona,
eo amin'ny làlana mankany Sikema;
fa mahavita heloka be vava izy ireo.
10Zava-mahatsiravina no hitako teo amin'ny taranak'Israely;
fa ao no ijangajangan'i Efraima,
sy andotoan'Israely tena.
11Hianao koa, ry Jodà, misy fijinjana voatendry ho anao,
raha avy izay hamoriako ny vahoakako avy amin'ny fahababoana. >