Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Osea

Osea toko 6, 1-6,
Ny fiovan'ny fo no tian'Andriamanitra hiverenan'Israely aminy.

       1Andeha isika hiverina amin'ny Tompo;
       2fa izy no namiravira, izy no hahasitrana antsika;
mikapoka izy, nefa hamehy ny ferintsika koa.
       3Rahefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika;
amin'ny andro fahatelo dia hatsangany isika,
ka ho velona eo anatrehany.
MahalalĂ  isika, mikeleza aina
hahalala an'ny Tompo isika.
Mahatoky, toy ny an'ny maraina, ny fiposahany;
ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona
toy ny fara-orana manamando ny tany.
       4Inona no hataoko aminao, ry Efraima?
Inona no hataoko aminao, ry JodĂ ?
Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina,
tahaka ny ando amin'ny maraina ka levona vetivety.
       5Noho izany nataoko potika, tamin'ny tenin'ny mpaminany,
novonoiko tamin'ny tenin'ny vavako izy ireo;
toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.
       6Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona;
ary ny fahalalana an'Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana. >