Bokin'i Osea

Toko faha-7

1 Fony aho nitady hanasitrana an'Israely no nihariharin'ny haratsian'i Efraima sy ny haratsiam-panahin'i Samaria: fa ny lainga ataony fanao; ny mpangalatra miditra an-trano, ny jiolahy mikarenjy eny ivelany.

2 Ary izy ireo tsy misaintsaina akory ao am-pony fa tsarovako avokoa ny faharatsiany. Ankehitriny manodidina azy ny heloka be vava nataony, dia indreo izy eo anatrehako.

3 Ny mpanjaka, falifaliny amin'ny haratsiany; ary ny mpanapaka amin'ny laingany.

4 Izy rehetra mpaka vadin'olona avokoa, hoatra ny fatana nampirehetan'ny mpanao mofo afo, izay mitsahatra tsy misoron'afo, hatramin'ny nametafetany ny koba ka mandra-pivontony.

5 Amin'ny andron'ny mpanjakantsika, ny mpanapaka mankarary tena amin'ny hafanan'ny divay; niara-naninji-tànana tamin'ny mpananihany izy io.

6 Fa tamin'ny firaisan-tetik'izy ireo, nataony toy ny ao anaty fatana ny fony; ka ny mpanao mofony natory mandritra ny alina, ary nony maraina nirehitra hoatra ny lelafo midedadeda.

7 Mahamay hoatra ny fatana avokoa izy rehetra, ka ny mpitsara azy nolevoniny. Ny mpanjakany lavo avokoa, tsy nisy niantso ahy anefa izy rehetra.

8 Mifangaro amin'ireo firenena Efraima, hoatra ny mofomamy tsy voavadika Efraima.

9 Levon'ny hafa firenena ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; efa mipi-bolo ny lohany, nefa tsy fantany akory izany.

10 Mitsangan-ko vavolombelona miampanga azy ny avonavon'i Efraima: tsy miverina amin'ny Tompo Andriamaniny anefa izy ireo, na mitady azy, na dia izany rehetra izany aza.

11 Efraima tonga hoatra ny domoina, adaladala tsy misy saina; miantso an'i Ejipta, mankany Asiria.

12 Amin'ilay mankany iny izy ireo, izaho kosa mamelatra eo amboniny ny fandrika haratoko; dia hataoko latsaka toy ny voromanidina izy, ary hamay azy, araka ny efa voalaza rahateo teo amin'ny fiangonany.

13 Loza ho an'ireny, fa nandositra lavitra ahy izy! Hanjo azy anie ny faharavana satria nivadika tamiko! Raha izaho,dia mba te-hamonjy azy ireo aho, fa izy kosa milaza lainga hamelezana ahy.

14 Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny. Misahirana fatratra izy ny amin'ny vary aman-divay vaovao, nefa izaho iambohoany.

15 Izaho nampianatra azy sy nankahery ny sandriny; izy ireo kosa misaintsain-dratsy hanoherana ahy.

16 Mitodika izy, fa tsy ho any amin'ny ambony; manahaka ny tsipìka mivaona: ho lavon'ny sabatra ny mpanapaka azy, noho ny fisafoaky ny lelany; ary handatsana azy izany any amin'ny tany Ejipta.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372