Epistola Voalohan'i Md. Piera
1 Piera toko 3, 14-17
<14Fa na ampahorina noho ny fahamarinana aza hianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin'izany akory.
15Ny Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an'izay rehetra manontany anareo ny amin'ny antony fanantenana izay ao anatinareo.
16Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin'izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an'ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin'ny Kristy.
17Fa aleo amin'ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitra-pon'Andriamanitra, toy izay amin'ny fanaovan-dratsy. >