Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko voalohany

1 Paoly mpanompon'i Kristy Jesoa, voaantso ho Apostoly, sy voatokana hitory ny Evanjelin'Andriamanitra,-

2 izay nampanantenainy rahateo tamin'ny alalan'ny mpaminany ao amin'ny Soratra Masina, 3 momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak'i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra tamin'ny fitsanganan'ny maty, araka ny fanahin'ny fahamasinana), dia Jesoa-Kristy Tompontsika, 5 izay nandraisany ny fahasoavana sy ny maha-Apostoly anay mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin'ny anarany, 6 ary anisan'ireny koa hianareo, noho ny fiantsoan'i Jesoa-Kristy:- 7 mamangy anareo rehetra malalan'Andriamanitra any Roma, izay olo-masina voaantsony: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa Kristy Tompo. 8 Voalohany aloha, misaotra an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy aho, noho ny aminareo rehetra, fa malaza amin'izao tontolo izao ny finoanareo.

9 Andriamanitra izay tompoiko amin'ny foko tokoa, amin'ny fitoriana ny Evanjelin-Janany, no vavolombeloko fa mahatsiaro anareo lalandava aho, 10 ary mangataka mandrakariva amin'ny fivavahako, mba hisy hahafahako mankany aminareo indray andro any, raha sitra-pon'Andriamanitra. 11 Fa maniry hahita anareo aho, mba hampahazo anareo fahasoavam-panahy hankahery anareo, 12 izany hoe, mba hiarahantsika mifamporisika eo aminareo, amin'ny finoana iombonako izaho sy hianareo. 13 Tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa imbetsaka no saika hankany aminareo aho (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny), mba hijinjako vokatra kely aminareo, toy ny amin'ny jentily sasany koa. 14 Manana adidy amin'ny Greka sy ny firenena hafa aho, na amin'ny hendry, na amin'ny tsy mahalala; 15 koa raha izaho, dia vonon-kitory ny Evanjely aminareo izay any Roma koa aho. 16 Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin'Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny jentily.

17 Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan'Andriamanitra avy amin'ny finoana ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ho velona noho ny finoana ny olo-marina. 18 Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran'Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an'Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan'ireo olona izay misakana ny marina amin'ny tsy fahamarinany,

19 satria miseho miharihary ao aminy izay mba mety ho fantatra momba an'Andriamanitra, fa nasehon'Andriamanitra taminy izany. 20 Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin'ny maha-Andriamanitra azy, dia hitan'ny saina amin'ny asan-tànany ka miseho amin'ny zava-boary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo, 21 fa nahalala an'Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza azy ho Andriamanitra na nisaotra azy; fa nanjary zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. 22 Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, 23 fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany sarin-javatra mety lò, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka. 24 Noho izany, dia navelan'Andriamanitra izy ireo hoentin'ny filan-dratsin'ny fony ho amin'ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin'ny tenany avy;

25 nosoloany lainga ny fahamarinan'Andriamanitra, ary naleony ny zava-boahary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amena! 26 Koa natolotr'Andriamanitra ho amin'ny fitongilanan-dratsiny mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; 27 torak'izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy. 28 Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an'Andriamanitra, dia navelan'Andriamanitra kosa izy hoentin'ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao, 29 ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-pò, mpanely tsaho, 30 mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny, 31 tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra. 32 Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaran'Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin'izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0817