Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Romana toko 10, 8-13,
<8Fa ahoana, hoy izy? Izao: Eo akaikinao ny teniny, fa eo am-bavanao, sy ao am-ponao, dia ny teny finoana izay torinay.
9Ka raha manaiky amin'ny vavanao hianao fa Jesoa no Tompo, sy mino amin'ny fonao fa Andriamanitra nanangana azy tamin'ny maty, dia ho voavonjy hianao.
10Satria ny finoana amin'ny fo no ahazoana fahamarinana; ary ny fanekena amin'ny vava no ahazoana famonjena,
11araka ny tenin'ny Soratra Masina hoe: Izay mino azy tsy mba ho menatra.
12Tsy misy hafa na Jody na jentily; satria ny Tompo iray no iombonan'izy rehetra, manan-karena ho an'izay rehetra miantso azy;
13fa izay rehetra hiantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena. >