Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Romana toko 11
Mba mino ihany ny Jody sasany - Mbola hibebaka ihany ny Jody - Lalina ny fitondran'Andriamanitra!
1Koa hoy izaho: Moa dia narian'Andriamanitra va ny olony? Sanatria izany! Fa izaho koa dia Israelita, taranak'i Abrahama, sy fokon'i Benjamina, 2ka tsy narian'Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Tsy fantatrareo va ilay itantaran'ny Soratra Masina ny fitarainan'i Elia tamin'Andriamanitra namely an'Israely hoe: 3Tompo ô, efa namono ny mpaminaninao izy ireo, sy efa nandrava ny otelinao; izaho dia izaho irery no sisa, ary izaho indray aza fofoiny ho faty. 4Nefa izao no navalin'Andriamanitra azy: Misy fito arivo lahy no efa natokako ho ahy, sy tsy nandohalika tamin'ny Baala. 5Toy izany koa ankehitriny, misy sisa ihany, araka ny fifidianan'ny fahasoavana. 6Ary raha avy amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa; fa raha avy amin'ny asa, dia tsy mba fahasoavana intsony.
7Ahaona àry izany? Israely tsy nahazo izay notadiaviny, fa izay nofidin'Andriamanitra no nahazo; ny sisan'izay nohajambaina, 8araka ny voasoratra hoe: Mandraka androany, dia fanahy donto, sy maso tsy mahita, ary sofina tsy mahare no nomen'Andriamanitra azy ireo. 9Hoy koa i Davida: Aoka ny latabany hanjary fandrika sy tonta ho azy ireo, ary ho fanafintohinana sy famaliana azy. 10Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, ary ny lamosiny hamokoka mandrakizay.
11Ka hoy izaho: Moa dia tafintohina, ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo? Sanatria izany! Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an'ny jentily, mba hahavelom-pialonana an'Israely. 12Koa raha ny fahalavoany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no zary haren'ny jentily, hanao ahoana re ny hafenoany? 13Aminareo jentily no itenenako: amin'ny maha-Apostolin'ny jentily ahy, dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho, 14mba hahavelom-pialonana an'ireo tapako, ka hamonjy ny sasany amin'izy ireo, raha azo atao. 15Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an'izao tontolo izao, hanao ahoana kosa ny fandraisana azy: tsy ho fitsanganana amin'ny maty va? 16Raha masina ny santatra, dia masina koa ny sisa rehetra; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny rantsany.
17Ary raha saingy notapahina ny rantsana sasany, ka hianao izay toy ny hazo oliva naniry ho azy no natsofoka hisolo ireny, sy tonga miombona amin'ny faka mbamin'ny ranon'ny fototr'oliva, 18dia aza mirehareha amin'ny rantsany; fa raha mirehareha hianao, tsy hianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao. 19Angamba hianao hanao hoe: Notapahina ireny rantsany ireny, mba hanatsofohana ahy. 20Marina ihany izany; ireny dia notapahina noho ny tsy finoany, fa hianao kosa natsofoka noho ny finoanao; ka aza miavonavona, fa matahora. 21Satria, raha ny tena sampana aza tsy notsitsin'Andriamanitra, matahora fa tsy hitsitsy anao akory izy.
22Koa fantaro àry fa sady mora fo Andriamanitra no saro-po koa: saro-po amin'izay lavo izy, fa mora foa aminao kosa, raha maharitra amin'ny hamoram-pony hianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa hianao. 23Fa ry zareo ireny kosa no hatsofoka indray, raha tsy mikiry amin'ny tsy finoany izy; satria hain'Andriamanitra ny hanatsofoka azy indray. 24Fa hianao tsy tena rantsany aza, fa nalaina tamin'ny fototr'oliva naniry ho azy, azo natsofoka amin'ny fototr'oliva tsara, ka mainka ny tena rantsany no ho azo atsofoka amin'ny fototr'oliva nanapahana azy!
25Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry, dia tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, izao zava-miafina izao: hilatsaka amin'ny hajambana ny sasany amin'Israely, mandra-piditry ny hafenoan'ny jentily. 26Ary amin'izany dia ho voavonjy avokoa Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy ao Siona ny Mpanafaka, ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin'i Jakoba, 27dia ho tanteraka amin'izany ny fanekena nataoko tamin'izy ireo, rahefa voaesotra ny fahotany. 28Raha amin'ny Evanjely, dia mbola fahavalo izy noho hianareo; fa raha amin'ny fifidianana kosa, dia malala izy noho ny razany; 29satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan'Andriamanitra. 30Fa hianareo fahiny mba tsy nanaiky an'Andriamanitra ihany, nefa noho ny tsy naneken'izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny. 31Toy izany koa izy ireny ankehitriny, tsy manaiky an'Andriamanitra izy, nefa noho ny famindram-po azonareo, dia hahazo famindram-po toraka izany koa. 32Fa samy nohidian'Andriamanitra tamin'ny tsy fanekena ny olona rehetra, mba samy hamindrany fo avokoa.
33Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan'Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsarany, ary tsy takatry ny saina ny làlany! 34Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo, ary zovy no mpanolo-tsaina azy? 35Sa iza no nanome azy aloha, mba hahazoany valin'izany? 36Avy aminy sy noho izy ary ho azy ny zavatra rehetra. Eny, izy no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. >