Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Romana toko 11, 33-36

       <33Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan'Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsarany, ary tsy takatry ny saina ny làlany! 34Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo, ary zovy no mpanolo-tsaina azy? 35Sa iza no nanome azy aloha, mba hahazoany valin'izany? 36Avy aminy sy noho izy ary ho azy ny zavatra rehetra. Eny, izy no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. >