Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-13

1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra.

2 Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan'Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihantsy fanamelohana ny tenany. 3 Tsy mba ny asa tsara no atahorana ny mpanapaka, fa ny ratsy atao ihany. Ka raha tsy te-hatahotra ny mpanapaka hianao, dia ny tsara no ataovy, fa hahazo dera aminy hianao, 4 satria lefitr'Andriamanitra amin'ny fanasoavana anao izy. Fa raha ratsy kosa no ataonao dia matahotra, satria tsy entiny foana ny sabatra, fa entiny hitezitra sy hamaly izay manao ratsy amin'ny maha-lefitr'Andriamanitra azy. 5 Koa ilaina àry ny manaiky, tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny hitsim-po koa. 6 Noho izany ihany koa no andoavanareo hetra; fa mpanao raharahan'Andriamanitra ny mpanapaka, milozoka amin'izay raharahany. 7 Koa ataovy amin'izy rehetra àry izay tokony ho azy avy, dia hetra amin'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana amin'izay tokony handoavana fadin-tseranana, tahotra ho an'izay tokony hatahorana, ary haja ho an'izay tokony hohajaina. 8 Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.

9 Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsiriri-javatr'olona, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy ao amin'ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 10 Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany. 11 Ary amin'izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin'ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.

12 Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan'ny maizina, fa tafio ny fiadian'ny mazava. 13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro, tsy amin'ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana na fialonana; 14 fa itafio Jesoa-Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin'ny famelomana ny filany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0544