Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Romana toko 13, 11-14
<11Ary amin'izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin'ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino. 12Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan'ny maizina, fa tafio ny fiadian'ny mazava. 13Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro, tsy amin'ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana na fialonana; 14fa itafio Jesoa-Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin'ny famelomana ny filany. >