Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Toko faha-14
1 Ny amin'izay malemy finoana dia raiso izy, nefa aza mitsara ny heviny.2 Fa misy mino ho mahazo mihinana ny zavatra rehetra; misy kosa malemy finoana, ka tsy mihinana afa-tsy zava-maniry. 3 Izay mihinana, aoka tsy haneso ny tsy mihinana, ary izay tsy mihinana kosa, aoka tsy hitsara ny mihinana, fa Andriamanitra no efa nandray azy. 4 Ary zovy moa hianao no mitsara ny mpanompon'ny hafa? Na mijoro na lavo izy, dia asan'izy tompony izany. Sady hijoro koa izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo. 5 Ny anankiray manisy avaka ny andro, ny anankiray kosa mampitovy ny andro rehetra; samia mitoky amin'ny azy tsy amim-pisalasalana. 6 Ny mitandrina ny andro, dia mitandrina ho an'ny Tompo; ny mihinana koa, mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana, tsy mihinana ho an'ny Tompo ihany koa, sady misaotra an'Andriamanitra izy. 7 Fa tsy misy velona ho azy isika rehetra, na misy maty ho azy; 8 fa velona isika, velona ho an'ny Tompo; maty koa, maty ho an'ny Tompo. Koa amin'izany, na velona na maty isika, dia ho an'ny Tompo ihany. 9 Satria ny Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha-Tompon'ny maty sy ny velona azy. 10 Ka ahoana àry ity hianao no mitsara ny rahalahinao; ahoana ary izato hianao no dia maneso ny rahalahinao? Nefa samy hiseho eo amin'ny fitsaran'Andriamanitra ihany isika rehetra, 11 araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra. 12 Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra. 13 Ka aoka tsy hifampitsara intsony isika rehetra; fa izao no tsarao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy.
14 Fantatro sy ekeko amim-pitokiana ao amin'i Jesoa Tompo fa tsy misy zava-maloto ho azy; nefa raha misy olona mihevitra zavatra ho maloto, dia maloto tokoa izany aminy. 15 Raha noho ny fihinananao no mampalahelo ny rahalahinao, dia tsy mandeha araka ny fitiavana intsony hianao, ka aza dia ny fihinananao no amerezanao olona nahafoizan'ny Kristy aina.
16 Ary aoka ny soa azonao tsy hampiteny ratsy ny sasany. 17 Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan'Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin'ny fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. 18 Koa izay manompo ny Kristy amin'izany no ankasitrahan'Andriamanitra, sy ankatoavin'ny olombelona. 19 Ny fihavanana sy fifamporisihana ho tsara àry no aoka hokatsahintsika,
20 fa aza izay hanina no andravana ny asan'Andriamanitra. Marina fa madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy kosa ny mihinana manafintohina ny sasany. 21 Ny tsara, dia tsy mihinan-kena, na misotro divay, na manao na inona na inona izay hahatafintohina, na hahalavo, na hahalemy ny rahalahinao. 22 Fa tano ho anao eo anatrehan'Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy helohin'ny hitsim-pony amin'ny asa ekeny; 23 fa izay misalasala dia meloka raha mihinana, satria tsy araka ny hitsim-pony izany, ka ota izay rehetra atao tsy an-kitsim-po.