Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Romana toko 15, 4-9
<4Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin'ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin'ny Soratra Masina.
5Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an'ny Kristy Jesoa,
6mba hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, amin'ny fo iray sy vava iray.
7Koa mifandraisa hianareo, tahaka ny nandraisan'ny Kristy anareo mba ho voninahitr'Andriamanitra. 8Fa ny Kristy, dia lazaiko marina, fa natao mpandraharaha ny voafora mba haneho ny fahamarinan'Andriamanitra, amin'ny fanatanterahana ny teny napetraka tamin'ny razan'izy ireo; 9ary ny jentily kosa dia mankalaza an'Andriamanitra noho ny famindra-pony, araka ny vosaoratra hoe: Izany no hiderako anao any amin'ny jentily, sy hankalazako ny anaranao. >