Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-16

1 Indro Febe anabavintsika, lazaiko tsara aminareo, fa mpikarakara ny Eglizy ao Senkrea,

2 mba handraisanareo azy tsara ao amin'ny Tompo, araka ny mendrika ny olo-masina, sy hanampianareo azy amin'izay rehetra ilàny anareo, araka ny nanampiany olona maro, hatramin'ny tenako aza. 3 Veloma any amin'i Priska sy Akilasy mpiara-miasa amiko ao amin'i Jesoa-Kristy;

4 nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin'ny jentily koa, 5 ary veloma any amin'ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony. Veloma any amin'i Epeneto malalako, izay santatr'i Asia ho an'ny Kristy. 6 Veloma any amin'i Maria, izay niasa mafy ho anareo. 7 Veloma any amin'i Androniky sy Joniasa havako sy niara-nifatotra tamiko, izay sady tsara laza amin'ny Apostoly no tao amin'ny Kristy talohako aza. 8 Veloma any amin'i Anfiasa, malalako ao amin'ny Tompo. 9 Veloma any amin'i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin'ny Kristy, sy Stakisa malalako. 10 Veloma any amin'i Apela, mpanompo mahatokin'ny Kristy. Veloma any amin'i Aristobola mianakavy. 11 Veloma any amin'i Herodiòna havako. Veloma any amin'i Narsisy mianakavy, izay ao amin'ny Tompo. 12 Veloma any amin'i Trifemo sy Trifaozy, izay miasa ao amin'ny Tompo. Veloma any amin'i Persida malala, izay miasa fatratra ao amin'ny Tompo. 13 Veloma any amin'i Rofosa olo-malaza ao amin'ny Tompo, sy any amin-dreniny izay reniko koa. 14 Veloma any amin'i Asinkrito, Felgòna, Hermesy, Patrobosa, Hermasy, mbamin'ny rahalahy ao aminy. 15 Veloma any amin'i Filologo sy Jolia, ary Nerea mianadahy, sy Olimpia, mbamin'ny olo-masina rehetra ao aminy. 16 Mifampiarahabà amin'ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny Egizin'ny Kristy rehetra. 17 Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, mba hitandrin-tena amin'ireo mahatonga fisarahana sy fanafintohinana, fa tsy manaraka ny fampianarana efa noraisinareo; halaviro ireny.

18 Fa tsy mba ny Kristy no tompoin'ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina. 19 Efa niely amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanekenareo izao, ka faly aminareo tokoa aho; fa hany iriko dia izao: mba ho hendry hianareo raha ny amin'ny tsara, fa tsy hahalala kosa raha ny amin'ny ratsy. 20 Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanorotoro faingana ny an'i Satana eo ambanin'ny tongotrareo. Ary ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 21 Manao veloma anareo i Timote, mpiara-miasa amiko, sy Losiosa ary Jasòna mbamin'i Sosipatera havako.

22 Izaho Tersiosa, izay nanoratra ity taratasy ity koa, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo. 23 Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay, mbamin'ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosa rahalahy. 24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena. 25 Ary ho an'ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an'i Jesoa-Kristy sy nanambarana ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,

26 (fa voaseho ankehitriny tamin'ny soratry ny mpaminany, araka ny didin'ny Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana) 27 dia ho an'Andriamanitra, ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372