Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-2

1 Toy izany koa hianao, ry olona, na zovy na zovy hianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra hianao; fa amin'ny fitsaranao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa hianao, satria toy ny ataon'ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.

2 Fantatsika anefa fa marina ny fitsaran'Andriamanitra an'izay manao toy izany; 3 ka moa ataonao va, ry olona, fa hianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa, dia ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra? 4 Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? 5 Fahatezeran'Andriamanitra anie no angonin'ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin'ny andron'ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra e! 6 dia ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy; 7 fiainana mandrakizay moa ho an'izay maharitra manao tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana; 8 fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an'izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy. 9 Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an'izay manao ny ratsy, dia ho an'ny Jody aloha, vao ho an'ny jentily koa;

10 fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa ho an'izay manao ny tsara, dia ho an'ny Jody aloha, vao ho an'ny jentily koa, 11 satria Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona. 12 Izay rehetra nanota tsy nanan-dalàna, dia ho very tsy aman-dalàna; ary izay rehetra nanota nanan-dalàna kosa dia hotsaraina ara-dalàna; 13 satria tsy ny mandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mankatò ny lalàna no hohamarinina. 14 Raha ny jentily tsy manan-dalàna no manao ho azy izay voadidin'ny Lalàna, na dia tsy manan-dalàna aza izy, dia izy ihany no lalàna ho an'ny tenany. 15 Asehon'izy ireo amin'ny hitsim-pony mitsangan-ko vavolombelona, sy ny fisainany mifanome na mifanala tsiny koa, fa voasoratra ao am-pony ny asan'ny Lalàna, 16 mandra-pahatongan'ny andro hampitsaran'Andriamanitra an'i Jesoa-Kristy ny asa takona ataon'ny olona, araka ny Evanjely ampianariko. 17 Ary inty ny aminao, izay mitondra anarana hoe Jody: hianao dia mitoky amin'ny Lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao,

18 mahalala ny sitra-pony, sy mahafantatra izay tsaratsara kokoa, fa nampianarin'ny Lalàna, 19 mihambo ho mpitarika ny jamba, ho mpanazava ny ao amin'ny maizina, 20 ho mpananatra ny adala, ho mpanoro ny bodo, fa eo an-tànanao ny Lalàna izay fitsipiky ny fahalalana sy ny fahamarinana; 21 nefa, mampianatra ny sasany hianao, fa tsy mampianatra ny tenanao: mitory hoe: aza mangalatra, nefa mangalatra ihany; 22 mandrara tsy hijanganjanga, nefa mijangajanga ihany; fatra-pankahala ny sampy, nefa manazimba ny zavatra masina; 23 mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an'Andriamanitra amin'ny fandikana ny Lalàna, 24 satria noho hianareo ihany no itenenan-dratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentily, araka ny lazain'ny Soratra Masina. 25 Marina fa mahasoa ihany ny famorana, raha mitandrina ny Lalàna hianao; fa manjary tsy fiforana kosa ny fiforanao raha mandika ny Lalàna hianao.

26 Koa raha ny tsy voafora no mankatò ny didin'ny Lalàna, moa tsy hoisaina ho fiforana va ny tsy fiforany? 27 Eny, fa raha ny olona tsy nifora hatrizay niainany no mahatanteraka ny Lalàna, dia hanameloka anao izy, fa manana ny Soratra Masina sy ny famorana hianao, nefa mandika ny Lalàna. 28 Satria tsy izay miseho eto ivelany ho Jody no tena izy, ary tsy izay miseho eto ivelany amin'ny nofo no tena famorana; 29 fa ny Jody ao anatiny sy ny famorana ny fo no tena izy: dia ny araka ny fanahy, fa tsy araka ny soratra; ary ny toy izany no mahazo dera, tsy amin'olombelona, fa amin'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1432