Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-3

1 Koa inona àry no tombon-tsoa ananan'ny Jody, ary inona no soa azo amin'ny famorana?

2 Azo lazaina fa be ihany: voalohany, izy no nametrahana ny teny fampanantenana nataon'Andriamanitra. 3 Fa ahoana kosa raha tsy nino ny sasany? Moa ny tsy finoan'ireo va hahafoana ny tsy fivadihan'Andriamanitra? Sanatria izany! 4 fa Andriamanitra tsy maintsy ho marina, na dia mpandainga aza ny olona rehetra, araka ny Soratra Masina hoe: Mba ho marina hianao raha miteny, ary tsy hanan-tsiny raha mitsara. 5 Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana àry no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra raha manampatra ny fahatezerany amintsika? (miteny araka ny fanaon'ny olona aho). 6 Sanatria izany! fa raha izany, ahoana no hitsaran'Andriamanitra an'izao tontolo izao? 7 Nefa, raha ny laingako no nampiharihary kokoa ny fahamarinan'Andriamanitra ho voninahiny, ahoana indray no itsarana ahy ho mpanota? 8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy isika hihavian'ny soa? Atomboky ny sasany anay izany, ary tondroiny ho mampianatra izany izahay; ho voaheloka marina anefa izy ireny. 9 Ahoana àry: manan-tombo tokoa va isika? Tsy manana velively, satria efa voasehontsika fa voan'ny fahotana avokoa, na Jody na jentily,

10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina, na dia iray aza; 11 tsy misy manan-tsaina, tsy misy mitady an'Andriamanitra; 12 samy nania avokoa izy rehetra; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza. 13 Fasana misokatra ny tendany; entiny mamitaka ny lelany; poizi-menarana no ao ambany molony; 14 ozona amam-pangidiana no mameno ny vavany; 15 ny handatsa-drà no mahamailaka ny tongony; 16 fandravana sy fampahoriana no eo amin'ny alehany; 17 ny làlan'ny fiadanana tsy fantany; 18 ary ny fahatahorana an'Andriamanitra tsy eo anoloan'ny masony. 19 Fantatsika anefa fa izay fehezin'ny Lalàna no ilazan'ny Lalàna ny zavatra rehetra lazainy, mba ho tampina ny vava rehetra, ary mba hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra avokoa izao tontolo izao, 20 satria tsy misy olona hohamarinina amin'ny asan'ny Lalàna eo anatrehany, fa ny ahalalàna tsara ny ota ihany no nataon'ny Lalàna. 21 Fa ankehitriny, tsy amin'ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, izay nambaran'ny Lalàna sy ny Mpaminany,

22 dia fahamarinana avy amin'Andriamanitra, noho ny finoana an'i Jesoa-Kristy, ho an'ny mpino rehetra; satria tsy misy avaka, 23 fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr'Andriamanitra, 24 fa hamarininy maimaim-poana amin'ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesoa. 25 Fa izy no natsangan'Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin'ny rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin'ny andron'ny fandeferany: 26 dia hampiharihary ny fahamarinany izy amin'ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an'i Jesoa. 27 Koa aiza àry no hireharehana? Efa nofoanana izany; fa tamin'ny lalàna inona? Tamin'ny lalàn'ny asa va? Tsia, fa tamin'ny lalàn'ny finoana;

28 satria miaiky marina isika fa ny finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny Lalàna. 29 Sa Andriamanitry ny Jody ihany Andriamanitra, fa tsy mba Andriamanitry ny jentily koa? Eny, Andriamanitry ny jentily koa izy; 30 satria Andriamanitra iray ihany no hanamarina ny voafora amin'ny finoana, sy ny tsy voafora amin'ny finoana koa. Koa mandrava ny Lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria! fa mainka mampiorina ny Lalàna isika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1314