Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-5

1 Koa amin'izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika,

2 izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr'Andriamanitra. 3 Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, 4 ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; 5 ary ny fanantenana tsy mba manodoka, satria efa voarotsaka ao ampontsika tamin'ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavana an'Andriamanitra. 6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin'ny fotoana voatendry ny Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy.

7 Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. 8 Fa izao kosa no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika 9 no maty hamonjy antsika ny Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin'ny rany izao, dia tsy maintsy afany amin'ny fahatezerana mihitsy. 10 Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin'Andriamanitra noho ny nahafatesan'ny Zanany, mainka fa rahefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. 11 Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. 12 Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran'ny fahotana tamin'izao tontolo izao tamin'ny olona iray, sy nidiran'ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin'ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra:

13 fa nisy ota ihany tamin'izao tontolo izao na talohan'ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna. 14 Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin'i Adama ka hatramin'i Moizy, na dia tamin'izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon'i Adama aza; ary Adama dia tandindon'ilay Adama ho avy. 15 Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahafatesan'ny anankiray aza nahafatesan'ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesoa-Kristy, no nandraisan'ny olona rehetra an-kabetsahana ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana.

16 Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana: satria noho ny ota anankiray no nisian'ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian'ny fahasoavana ho fanamarinana. 17 Satria raha ny fahadisoan'ny anankiray aza nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'io anankiray io, mainka fa ny nataon'ny anankiray, dia Jesoa-Kristy, no hanjakan'izay mahazo ny haben'ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin'ny fiainana. 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an'ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray.

19 Fa tahaka ny nahatongavan'ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken'ny olona iray no hahatongavan'ny maro ho marina kosa noho ny naneken'ny olona iray. 20 Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin'izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran'ny fahasoavana ho ambony lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan'ny fahotana hahafaty no hanjakan'ny fahasoavana amin'ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1215