Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Romana toko 5, 1-2,5-8,
Ny vokatry ny fahamarinana - Adama no nahafaty, fa ny Kristy kosa no nahavelona.
1Koa amin'izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, 2izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr'Andriamanitra. 5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, satria efa voarotsaka ao ampontsika tamin'ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavana an'Andriamanitra.
6Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin'ny fotoana voatendry ny Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy. 7Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. 8Fa izao kosa no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika >