Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Romana toko 6, 3-11
<3Moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao batemy ho amin'ny Kristy Jesoa, dia natao batemy ho amin'ny fahafatesany?
4Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batemy ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'ny Kristy tamin'ny maty, tamin'ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin'ny fiainam-baovao koa.
5Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny fakan-tahaka ny nahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany;
6fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan'ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,
7satria izay maty dia afaka amin'ny fahotana.
8Ary raha niara-maty tamin'ny Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa;
9sady fantatsika fa rahefa nitsangana tamin'ny maty izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
10Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin'ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an'Andriamanitra.
11Ary aoka ho toy izany koa hianareo no hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin'ny fahotana, fa velona kosa ho an'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesoa. >