Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-7

1 Tsy fantatrareo va, ry rahalahy (miteny amin'ny mahalala ny Lalàna aho), fa raha mbola velona ny olona no fehezin'ny lalàna?

2 Ohatra: ny vehivavy manam-bady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy raha mbola velona ny lahy: fa afaka amin'ny lalàn'ny lahy kosa izy rahefa maty ny lahy. 3 Koa raha mbola velona ny lahy no manambady olon-kafa izy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa rahefa maty kosa ny lahy, na manam-bady olon-kafa aza izy, dia tsy mba mpijangajanga intsony, fa efa afaka amin'ny lalàn'ny lahy. 4 Toy izany koa hianareo, ry rahalahiko, maty ny amin'ny Lalàna noho ny tenan'i Jesoa-Kristy hianareo, mba ho vadin'ny hafa, dia ilay nitsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra. 5 Fa fony mbola tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny Lalàna, no niasa tao amin'ny rantsam-batantsika, hahavokatra ho an'ny fahafatesana; 6 fa ankehitriny kosa dia afaka amin'ny Lalàna isika fa efa maty ny amin'ny Lalàna izay nifehezana antsika, ka manompo an'Andriamanitra amin'ny fanahy vaovao, fa tsy amin'ny soratra lany taona. 7 Inona àry no holazaintsika: ota va ny Lalàna? Sanatria izany! Fa tsy nahalala ny fahotana aho, raha tsy tamin'ny Lalàna; ohatra, tsy ho nahalala ny fanirian-dratsy aho, raha tsy ny Lalàna no nilaza hoe: Aza maniry ratsy.

8 Dia io didy io no nohararaotin'ny fahotana hampihetsika ny fanirian-dratsy rehetra tato anatiko; satria raha tsy misy Lalàna, dia maty ny fahotana. 9 Izaho dia olon-tsy nanan-dalàna fahiny; fa nony tonga ny didy, dia nahazo aina ny fahotana, 10 ka maty terý aho. Noho izany, ny didy natao hahazoana fiainana no tonga nahazoako fahafatesana, 11 satria nohararaotin'ny fahotana hamitaka sy hamono ahy ny didy. 12 Masina ihany anefa ny Lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara. 13 Koa zavatra tsara izany nanjary fahafatesana ho ahy? Sanatria izany! fa ny fahotana no nahafaty ahy tamin'ny zavatra tsara, mba hiharihary ny faharatsiany ka ho tonga mpanota erý ny fahotana noho ny didy. 14 Fa fantatsika fa ny Lalàna dia ara-panahy, ary izaho kosa dia ara-nofo, namidy ho andevon'ny fahotana.

15 Satria tsy hitako be ihany izay ataoko; tsy ny tiako no ataoko, fa ny hàlako no anatiko. 16 Koa rahefa ny tsy tiako no ataoko, dia miaiky aho fa tsara ny Lalàna. 17 Ary amin'izany dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato anatiko. 18 Fa fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin'ny nofoko: ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara, 19 satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako; 20 ka rahefa tsy ny tiako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko. 21 Koa toa misy lalàna toy izao ato amiko: nony te-hanao ny tsara aho, dia ny ratsy no indro misosoka.

22 Satria amin'ny olona ao anaty aho, dia mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra ihany, 23 fa ny lalàna hitako amin'ny rantsam-batako sy manohitra ny lalàn'ny saina no manandevo ahy amin'ny lalàn'ny fahotana izay ao amin'ny rantsam-batako. 24 Indrisy! olo-mahantra aho; iza re no hanafaka ahy amin'ity vatam-pahafatesana ity? 25 Isaorana anie Andriamanitra, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika! Izaho izany, dia sady mpanompon'ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saina no andevon'ny lalàn'ny fahotana amin'ny nofo koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1102