Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Romana toko 8
Jesoa-Kristy no mahafaka antsika - Sambatra izay entin'ny Fanahin'Andriamanitra - Ny toky sy ny fanantenana masina omen'ny Fanahy - Ny itiavan'Andriamanitra ny olom-pinidy.
1Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an'izay ao amin'ny Kristy Jesoa, sady mandeha ara-nofo, 2fa ny lalàn'ny Fanahin'aina no nanafaka ahy tamin'ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin'ny alalan'ny Kristy Jesoa. 3Satria izay tsy vitan'ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon'ny nofo, dia vitan'Andriamanitra tamin'ny nanirahany ny Zanany tao amin'ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka fahotana tao amin'ny nofony, 4mba ho tanteraka ny fahamarinan'ny Lalàna ao amintsika, izay tsy mandeha ara-nofo, fa ara-panahy. 5Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy. 6Ny fitiavan'ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan'ny fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana. 7Satria ny fitiavan'ny nofo dia mifandrafy amin'Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy aza izany. 8Koa izay ao amin'ny nofo dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra. 9Fa hianareo dia tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'ny Kristy, dia tsy azy izy; 10fa raha ao anatinareo ny Kristy; na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. 11Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesoa tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an'i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.
12Koa amin'izany, ry rahalahy, tsy mpitrosa amin'ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. 13Satria raha velona ara-nofo hianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin'ny Fanahy ny asan'ny nofo, dia ho velona hianareo; 14satria izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia zanak'Andriamanitra; 15Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray hianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! 16Ary ny tenan'io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'ny Kristy, raha miara-mijaly aminy anefa isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa; 18satria ataoko fa ny fahorian'izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin'ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
19Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; 20satria izao zava-boary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy, 21nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia ho alana amin'ny fahandevozam-pahalòvana ho amin'ny fahafahana amam-boninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. 22Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boary rehetra izao. 23Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika. 24Fa vao amin'ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany? 25Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.
26Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan'izy Fanahy ihany no mangataka amin'ny fitarainana tsy azo lazaina; 27ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin'ny Fanahy, sy ny fifonany araka an'Andriamanitra ho an'ny olo-masina.
28Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin'Andriamanitra hahasoa izay tia azy, dia ireo efa voantso araka ny fandaharany. 29Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin'ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro izy. 30Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa. 31Inona àry no holazaintsika ny amin'izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy? 33Iza no hiampanga an'izay voafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy 34ka zovy no hanameloka? Moa ny Kristy va, ilay efa maty, fa nitsangana tamin'ny maty, sy mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika?
35Koa iza àry no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'ny Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? 36Araka ny voasoratra hoe: Hianao no amonoana anay isan'andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay. 37Amin'izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin'ny alalan'ilay tia antsika. 38Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, 39na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika. >