Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Romana toko 8, 18-23
<18satria ataoko fa ny fahorian'izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin'ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
       19Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; 20satria izao zava-boary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy, 21nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia ho alana amin'ny fahandevozam-pahalòvana ho amin'ny fahafahana amam-boninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. 22Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boary rehetra izao. 23Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika. >