Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Romana toko 8, 8-11
<8Koa izay ao amin'ny nofo dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra.
9Fa hianareo dia tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'ny Kristy, dia tsy azy izy;
10fa raha ao anatinareo ny Kristy; na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
11Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesoa tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an'i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo. >