Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-9

1 Milaza ny marina ao amin'ny Kristy aho, ka tsy mandainga, ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,

2 fa malahelo mafy aho, ory lalandava ny foko, 3 satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra ny Kristy ny tenako, hamonjeko ny rahalahiko, izay havako araka ny nofo, 4 dia ireo Isrealita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana; 5 azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny nofo ny Kristy, izay ambonin'ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena. 6 Tsy dia ny tenin'Andriamanitra tsy akory no foana; fa izay taranak'Israely no tsy tena Israely avokoa,

7 ary izay terak'i Abrahama no tsy zanany daholo, fa izao: Ny avy amin'Isaaka ihany no hantsoina ho taranakao; 8 izany hoe: tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra, fa ny zanaky ny fampanantenana no isaina ho taranaka. 9 Ary toy izao no teny fampanantenana iray: Amin'ny herin-taona toy izao dia ho avy indray aho, ary hahazo zazalahy i Sarà. 10 Ary tsy Sarà ihany, fa toy izany koa Rebekà, izay nanan-janaka roa tamin'ny lehilahy iray, dia Isaaka raintsika: 11 satria mbola tsy teraka akory ireo, ka mbola tsy nanao soa na ratsy (mba tsy hiova ny laha-pifidianan'Andriamanitra, tsy avy amin'ny asa, fa amin'ny safidin'izy niantso), 12 no nilazàna tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny, 13 araka ny voasoratra hoe koa: Jakoba no tiako, fa i Esao no halako. 14 Inona àry no holazaintsika: misy tsy fahamarinana va ao amin'Andriamanitra? Sanatria izany!

15 Fa hoy izy tamin'i Moizy: Hamindra fo amin'izay tiako hamindram-po aho, ary hiantra izay tiako hiantrana. 16 Koa tsy izay maniry na mihazakazaka, fa Andriamanitra mamindra fo no antony. 17 Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Faraona: Ny hoentiko mampiharihary ny heriko, sy hanambarana ny anarako amin'ny tany rehetra no nananganako anao. 18 Koa dia izay tiany hamindram-po no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisim-po no hamafisiny fo. 19 Fa hianao kosa hanao amiko hoe: Ka ahoana indray no anomezan'Andriamanitra tsiny, nefa tsy misy mahatohitra izay sitra-pony tsinona?

20 Eisy! iza moa hianao, ry olombelona, no sahy hifamaly amin'Andriamanitra? Moa ny vilany tany va hanao amin'izay nanefy azy hoe: Nahoana aho no nataonao toy izao? 21 Moa tsy tompon'ny tanimanga va ny mpanefy vilany, ka mahazo manao zavatra samihafa amin'ny vongana iray monja: ny iray moa, hohajaina, ny iray kosa hatao tsinontsinona? 22 Koa maninona, raha te-hampiseho ny fahatezerany Andriamanitra, sy ta-hampahafantatra ny heriny, ka mbola naharitra tamim-pandeferana lehibe an'ireo fanaky ny fahatezerana nanoman-tena ho an'ny fahaverezana? 23 na te-hampahafantatra ny haren'ny voninahiny koa izy, ka nanomana rahateo an'ireo fanaky ny famindram-po ho amin'ny voninahitra, 24 dia ho antsika izay tsy nalainy tamin'ny Jody ihany, fa tamin'ny jentily koa? 25 Izany indrindra no lazainy ao amin'i Osea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko aho, sy ny tsy malala hoe malala, ary ny tsy namindram-po hoe namindram-po.

26 Ary any amin'ny tany nilazana hoe tsy oloko hianareo, no hiantsoana ny any hoe zanak'Andriamanitra velona. 27 Izany koa no iantsoan'Izaia mafy ny amin'Israely hoe: Na dia toy ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny zanak'Israely, dia izay sisa ihany no ho voavonjy. 28 Andriamanitra dia faingam-panatanteraka ny teniny an-tsakany sy an-davany, ka hotanterahiny tokoa izany eto ambonin'ny tany. 29 Ary izany no nilazan'Izaia rahateo hoe: Raha tsy namelan'Andriamanitry ny tafika taranaka isika, dia efa tonga iray lasitra tamin'i Sodoma, sy nanahaka an'i Gomora. 30 Inona àry no holazaintsika? Ny jentily izay tsy nitady ny fahamarinana ity no nahazo ny fahamarinana, dia ny fahamarinana avy amin'ny finoana;

31 fa Israely nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, tsy tojo azy. 32 Nahoana re? Satria tsy tamin'ny finoana, fa tamin'ny asa no nataony hahazoana azy; ka tafintohina tamin'ny vato manafintohina izy, 33 araka ny voasoratra hoe: Indro, apetrako ao Siona ny vato manafintohina sy ny vatolampy mahasolafaka; fa izay mino azy ihany no tsy mba ho menatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0871