Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Romana toko 9, 1-5
Fitiavan'i Paoly ny Jody - Ny tena Israely sy taranak'i Abrahama - Ny fifidianan'Andriamanitra ny olona - Ny niantsoana ny jentily noho ny ditran'ny Jody.

       1Milaza ny marina ao amin'ny Kristy aho, ka tsy mandainga, ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko, 2fa malahelo mafy aho, ory lalandava ny foko, 3satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra ny Kristy ny tenako, hamonjeko ny rahalahiko, izay havako araka ny nofo, 4dia ireo Isrealita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana; 5azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny nofo ny Kristy, izay ambonin'ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena. >