Bokin'i Rota
Rota toko 1
Ny firaiketam-pon'i Rota tamin'i Noemì rafozany sy ny nanarahany azy tany Betleema.
1Tamin'ny andro nanapahan'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin'ny tanin'i Moaba, niaraka tamin'ny vadiny sy ny zanany roa lahy. 2Elimeleka no anaran-dralehilahy io, Noemì no anaran'ny vadiny, ary Mahalòna sy Seljòna no anaran'ny zanany roa lahy. Efrateana avy any Betleema any Jodà izy ireo, ary nankany amin'ny tanin'i Moaba sy nonina tany.
3Ary maty Elimeleka vadin'i Noemì, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy. 4Naka vady tamin'ny vehivavy Moabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo. 5Fa maty daholo koa izy roa lahy dia Mahalòna sy Seljòna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.
6Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin'ny tanin'i Moaba, satria reny tany amin'ny tanin'i Moaba fa efa novangian'ny Tompo ny vahoakany ka nomeny hanina. 7Niala teo amin'ny tany nonenany izy sy ireto vinantony roa vavy, dia niainga hody any amin'ny tanin'i Jodà.
8Ary hoy Noemì tamin'ireto vinantony roa vavy: Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy hianareo. Enga anie ka hanao soa aminareo Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin'ireo maty sy tamiko koa. 9Samy hampahitan'ny Tompo fiadanana anie any hianareo, any amin'ny tranon'izay ho vadinareo. Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany. 10Ary hoy izy taminy hoe: Tsia, fa hiara-miverina aminao ho any amin'ny firenenao izahay. 11Fa hoy Noemì: Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko? 12Mandehana mody, anaka. Efa antitra aho, ka tsy hanambady intsony. Ary na dia hilaza aza aho fa manantena ihany, na dia hanambady anio alina ihany sy hiteraka zazalahy aza, 13moa hahandry mandra-pahalehiben'izany va hianareo? Moa hahajanona tsy hanambady fanindroany noho izany? Tsia, anaka. Noho hianareo dia mangidy amiko indrindra ny namelezan'ny tànan'ny Tompo ahy. 14Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary Orfà nanoroka ny rafozany, fa Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy. 15Ka hoy Noemì: Nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny iry ny zaobavinao, ka mba modia miaraka amin'ny zaobavinao koa. 16Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; 17izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy. Hoentin'ny Tompo amin'izay sarotra indrindra anie aho, raha tsy ny fahafatesana tokana no hahasaraka ahy aminao. 18Nony hitan'i Noemì fa tapa-kevitra ny hanaraka azy Rota, dia najanony ny teny nandodonany azy.
19Dia niara-nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betleema. Nony niditra an'i Betleema izy ireo, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ary hoy ny vehivavy: Fa Noemì ve io e? 20Dia hoy izy tamin'ireo: Aza atao hoe Noemì intsony aho, fa ataovy hoe Marà, fa nataon'ny Tompo safotry ny mangidy aho. 21Feno tànana aho no nivoaka fa foan-tànana kosa no ampodin'ny Tompo. Ka ahoana no hiantsoanareo ahy hoe Noemì ihany; nefa Iaveh no efa nitsangan-kamely ahy, ary ny Tsitoha no efa nampahory ahy.
22Toy izany no nodian'i Noemì, ary niaraka taminy Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy any amin'ny tanin'i Moaba. Tonga tao Betleema izy ireo tamin'ny niandohan'ny fijinjana ny orja. >