Bokin'i Rota
Rota toko 2
Ny nitsimponan'i Rota salohim-bary tany amin'ny sahan'i Booza.
1Nanana havam-bady anankiray Noemì; lehilahy manan-jò sy manan-karena, avy amin'ny fianakavian'i Elimeleka izy io, ary Booza no anarany.
2Ary hoy Rota ilay Moabita tamin'i Noemì: Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony. Ka hoy izy namaly azy: Andeha, anaka. 3Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary tany amin'ny saha anankiray teo aorian'ny mpijinja, ary sendra teo amin'ny tanimbarin'i Booza, fianakavian'i Elimeleka indrindra, no nalehany. 4Ary indro, tonga any Betleema Booza, ka niteny tamin'ny mpijinja hoe: Ho aminareo anie Iaveh. Dia hoy kosa ireo namaly azy: Hanambina anao anie Iaveh. 5Ary hoy Booza tamin'ny mpanompony, izay nitandrina ny mpijinja: 6An'iza io zazavavy io? Dia namaly ilay mpanompo nitandrina ny mpijinja nanao heo: Zazavavy Moabita niara-tonga tamin'i Noemì io avy any amin'ny tanin'i Moaba. 7Nilaza taminay izy nanao hoe: Mba avelao kely aho hitsimpona sy hanangona ny salohim-bary eny anelanelan'ny amboarany, eo aorian'ny mpijinja. Dia tsy nipetraka izy hatrizay nahatongavany aninaraina ka mandrak'ankehitriny, ary izay fialany sasatra ao an-trano dia fohy.
8Dia hoy Booza tamin'i Rota: Izao no izy, anaka: Aza mandeha hitsimpona any amin'ny tanimbary hafa, aza miala eto, fa mijanòna toy izao miaraka amin'ny ankizivaviko. 9Jereo izay tanimbary hojinjàna dia manaraha eo aorian'ireo. Efa nilazako ny mpanompoko mba tsy hikasika anao. Ary raha mangetaheta hianao, mandehana eo amin'ny siny dia misotroa amin'izay nantsakain'ny mpanompo. 10Tamin'izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin'ny tany, ka nanao taminy hoe: Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny? 11Dia hoy ny navalin'i Booza azy: Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an'ny rafozanao hatrizay nahafatesan'ny vadinao aho; sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin'ny tany nahaterahanao, ka nankanesanao aty amin'ny firenena tsy fantatrao akory taloha. 12Hamaly ny nataonao anie Iaveh ary ho valisoa feno anie no horaisinao avy amin'ny Tompo Andriamanitr'Israely, fa efa eo ambany elany no nalehanao hialofana. 13Ary hoy izy: Akory ity fitia hitako teo imasonao, tompoko! Fa nampionona ahy hianao, ary niteny tamin'ny fon'ny ankizivavinao hianao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ny ankizivavinao akory aza aho.
14Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia hoy Booza tamin'i Rota: Mandrosoa hihinana mofo ary atsobohy amin'ny vinaingitra ny tapa-mofonao. Dia nipetraka teo anilan'ny mpijinja izy, ary nomen'i Booza lango. Dia nihinana izy, ka voky, ary ny sisa notehiriziny. 15Avy eo dia nitsangana izy hitsimpona salohim-bary. Ary izao no teny nomen'i Booza ny mpanompony: Aoka izy hitsimpona eny anelanelan'ny amboarany eny koa, fa aza manao izay hahamenatra azy, 16ary misariha salohy avy amin'ny amboarany aza ho azy, ka avelao mba hotsimponiny fa aza maninitsiny azy.
17Nitsimpona teo an-tanimbary mandra-paharivan'ny andro izy, dia noveleziny izay voatsimpony, ka orja sahabo ho iray efah. 18Noraisiny izany dia nody nankany an-tanàna izy, ka hitan'ity rafozany izay voatsimpony, ary nalainy koa ilay sisa tsy laniny tamin'ny sakafony ka natolony azy.
19Dia hoy ny rafozany taminy: Taiza no nitsimpona hianao androany ary taiza no niasa? Hambinina anie izay nangoraka anao! Nambaran'i Rota tamin'ny rafozany izay olona niasany nataony hoe: Tany amin'ny lehilahy atao hoe Booza aho no niasa androany. 20Ary hoy Noemì tamin'ity vinantony: Hambinin'ny Tompo anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin'ireo maty ihany koa. Hoy Noemì taminy: Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan'izay mahazo manavotra antsika koa. 21Dia hoy Rota, ilay Moabita: Izao koa no nolazainy tamiko: Miaraha amin'ny mpanompoko hianao, mandra-pahataperan'ny fijinjana. 22Ka hoy Noemì tamin'i Rota vinantony: Tsara, anaka, raha miaraka amin'ny mpanompovaviny hianao, fandrao dia asian'ny olona ratsy, raha any an-tsaha hafa. 23Ka dia niaraka tamin'ireo mpanompovavin'i Booza izy no nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny orja sy ny fromanta. Ary tao amin'ny rafozany ihany izy no nitoetra. >