Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Rota

Rota toko 3
Ny nitadiavan'i Rota hitondran'i Booza loloha azy.

       1Dia hoy Noemì rafozany taminy: Te-hitady toeram-pitsaharana hiadananao aho, anaka. 2Ary amin'izao moa tsy havantsika va Booza, tompon'ny ankizivavy niarahanao? Indro fa hikororoka ny orja eo am-pamoloana izy anio alina. 3Koa mandroa hianao, mihosora diloilo, miakanjoa, ary midìna any am-pamoloana. Aza atao hitany anefa hianao, raha tsy efa tapi-nihinana sy nisotro izy. 4Nony injay handeha handry izy, kendreo tsara izay toerana handriany dia midira ao, ka sokafy ny firakofany eo an-tongony ary mandria eo, fa holazainy aminao izay hataonao. 5Dia hoy razazavavy namaly azy: Eny, fa hataoko avokoa izay asainao hataoko.
       6Dia nidina nankany am-pamoloana izy, ka nanao izay rehetra nasain-drafozany hatao. 7Nihinana sy nisotro Booza dia mirana ny fony ka lasa nandry tarý amin'ny faran'ny antontan'amboaram-bary; nitsaitsaika nanatona Rota dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo. 8Nony nisasaka ny alina, taitra ralehilahy ka niondrika dia indro nisy vehivavy nandry teo an-tongony. 9Dia hoy izy: Iza izato? Ary hoy ny navaliny azy: Izaho no Rota ankizivavinao; mba rakofy ny ila lambanao ny ankizivavinao, fa havana mahazo manavotra hianao. 10Dia hoy izy: Hohasoavin'ny Tompo anie hianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora hianao, na manan-karena izany, na mahantra. 11Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra fa hataoko ho anao avokoa izay rehetra holazainao, sady fantatry ny olona rehetra eto Betleema fa vehivavy tsara toe-panahy hianao. 12Ary amin'izao dia marina tokoa fa mahazo manavotra aho; nefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho. 13Ka anio alina, mitoera eto ihany; fa rahampitso raha ta-hanavotra anao izy, dia tsara, aoka hanavotra izy; fa raha tsy te-hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao. Velona Iaveh! Fa mandria eo mandra-pahamarain'ny andro.
       14Dia nijanona nandry teo an-tongony teo izy mandra-pahamarain'ny andro, ary nifoha mbola maizimaizina tsy ahafataran-dahy, fa hoy Booza: Aoka tsy ho fantatr'olona akory fa taty am-pamoloana ity vehivavy ity. 15Ary hoy kosa izy: Ento aty ny lamba itafianao ka hazony. Dia nohazoniny ka namàtra orja inenin'ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy.
       16Nony tonga tany amin-drafozany Rota, dia hoy Noemì: Inona no nataonao, anaka? Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy. 17Ary nomeny ity orja inenin'ny famarana ity koa aho, hoy izy, nataony hoe: Tsy hody any amin-drafozanao mitondra tanam-polo fotsiny hianao. 18Ka hoy Noemì: Mijanòna eto, anaka, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io. >