Bokin'i Rota
Rota toko 4
Ny nanambadian'i Booza an'i Rota.
1Niakatra teo am-bavahadin'ny tanàna Booza ka nipetraka tao. Ary inty tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan'i Booza, ka hoy izy taminy: ô Ranona ity ô, mijanòna kely, mipetraha eto. Dia nijanona ilay lehilahy, sady nipetraka. 2Ary naka folo lahy tamin'ny loholona tao an-tanàna Booza, ka hoy izy: Mipetraha eto hianareo. Dia nipetraka izy ireo. 3Dia hoy izy tamin'ilay mahazo manavotra: Ny anjara tanin'i Elimeleka rahalahintsika dia namidin'i Noemì, ity efa tonga avy any amin'ny tanin'i Moaba. 4Ka hoy aho hoe: tiako ny hampandre anao izany sy ny hilaza aminao hoe: Vidio izany eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eo anoloan'ny loholona amin'ny fireneko. Raha ta-hanavotra hianao avoty; raha tsy tianao, dia ambarao izany mba ho fantatro; fa tsy misy olona mahazo manavotra alohanao; ary izaho no manarakaraka anao. Dia hoy ny navaliny hoe: Hanavotra aho. 5Ka hoy Booza: Amin'ny andro hahazoanao ny tany amin'ny tànan'i Noemì dia ho azonao koa izany amin'ny tànan'i Rota, ilay Moabita, vadin'ny maty, mba hamelomanao maso ny anaran'ny maty eo amin'ny lovany. 6Ary namaly ilay mahazo manavotra: Tsy afa-manavotra izany amin'ny anarako aho fandrao dia manimba ny lovako indray. Ka ento ho anao ny fahazoako manavotra fa tsy afa-manavotra aho.
7Fanao teo amin'Israely fahiny, raha misy fanavotana na fanakalozana, ny manala ny kirarony ny anankiray dia omeny ny iray hafa mba handraikitra ny raharaha, dia izany no natao vavolombelona teo amin'Israely. 8Ka hoy itsy nahazo nanavotra, tamin'i Booza: Vidio ho anao izany. Sady nesoriny ny kirarony. 9Ary hoy Booza tamin'ireto loholona sy ny olona rehetra: Vavolombelona androany hianareo fa lasako tamin'ny tànan'i Noemì izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Seljòna sy Mahalòna; 10lasako miaraka amin'izany koa ho vadiko Rota Moabita, vadin'i Mahalòna, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty eo amin'ny lovany, ary mba tsy ho faty eo amin'ny rahalahiny sy eo am-bavahadin'ny fonenany ny anaran'ny maty. Hianareo no vavolombelon'izany androany. 11Dia hoy ny vahoaka rehetra teo am-bavahady mbamin'ny loholona: Vavolombelona izahay. Enga anie ka hataon'ny Tompo tahaka an-dRasely sy Lià ny vehivavy izay miditra ao amin'ny tranonao, dia tahaka azy roa vavy izay nanangana ny tranon'Israely. Ary hianao kosa, matanjaha any Efrata ary aoka hianao hampanan-daza ny anaranao any Betleema. 12Hanahaka ny tranon'i Fareza izay naterak'i Tamara tamin'i Jodà anie ny tranonao, amin'ny taranaka homen'ny Tompo anao amin'ity zazavavy ity.
13Dia nampakarin'i Booza Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy Booza. Ary nampanan'anaka an'i Rota Iaveh ka niteraka zazalahy izy. 14Dia hoy ny vehivavy tamin'i Noemì: Isaorana anie Iaveh fa tsy navelany tsy hanam-panavotra hianao ankehitriny. Hankalazaina anie ny anarany eo amin'Israely! 15Io no hamelona ny ainao sy ho tohan'ny fahanteranao, fa naterak'ilay vinantonao izay tia anao ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao. 16Dia noraisin'i Noemì ny zaza ka nataony teny an-trotroany, ary izy no nitaiza azy. 17Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy nanao hoe: Nahazo zazalahy Noemì, ka nataony hoe Obeda, no anarany. Izy no rain'i Isaia, rain'i Davida.
18Izao no taranak'i Faresa niteraka an'i Esrona: 19Esrona niteraka an'i Arama, Arama niteraka an'i Aminadaba, 20Aminadaba niteraka an'i Nahasona, Nahasona niteraka an'i Salmona, 21Salmona niteraka an'i Booza, Booza niteraka an'i Obeda, 22Obeda niteraka an'i Isaia, Isaia niteraka an'i Davida. >