Ny Salamo

Toko faha-10

1 Nahoana, ry Iaveh, no mijanona eny lavitra eny hianao, sy miery amin'ny andron'ny fahoriana?

2 Raha mirehareha ny ratsy fanahy dia ny mahantra no levona; izy ireo dia voan'ny teti-dratsy noforonin'io.

3 Mirehareha amin'ny fitsiriritany ny ratsy fanahy; manamavo an'ny Tompo ny mpandroba mandoza.

4 Hoy ny ratsy fanahy, amin'ny fianjonanjonany: Tsy mamay izy! Tsy misy Andriamanitra. Izany no totalin-keviny.

5 Fa ambinina hatrany hatrany izy, amin'izay alehany. Ny fitsaranao dia avo loatra ka tsy ahoany; ny mpandrafy azy, tsofiny indray mandeha dia mihahaka.

6 Hoy izy anakampony: Tsy hangozohozo aho, voafefy tsy ho azon-doza aho na oviana na oviana.

7 Feno ozona sy fitaka amam-panaovana ankeriny ny vavany; hasomparana sy tsy fahamarinana no ao ambany lelany.

8 Manao otrika eo akaikin'ny tanàna izy; mamono ny tsy manan-tsiny ao amin'ny fitoerany an-katakonana. Mitsikilo ny olona tsy manan-kiaro ny masony;

9 mitily ao amin'ny fitoerana miafina toy ny liona ao anaty hazo milobolobo izy; mitily izy hisovoka ny malahelo; samboriny ny malahelo, taominy ho ao amin'ny fandrika haratony.

10 Miondrika izy, mifitsaka, dia lavo eo amin'ny hohony ny ory.

11 Hoy izy, anakampony: Nanadino Andriamanitra; efa nanarona ny tavany izy ka tsy mahita na inona na inona, na oviana na oviana!

12 Mitsangàna, ry Iaveh, asandrato ny tananao, ry Andriamanitra! Aza manadino ny ampahoriana.

13 Nahoana ny ratsy fanahy no dia mamingavinga an'Andriamanitra? ahoana no anaovany anakam-po hoe: Tsy mamay hianao?

14 Nahita anefa hianao, fa mijery ny fahoriana amam-pijaliana, mba hiandraiketanao ny momba azy. Hianao no iankinan'ny malahelo; mamonjy ny kamboty hianao.

15 Tapaho ny sandrin'ny ratsy fanahy; ny tsy mpivavaka - raha karohinao ny helony, tsy ho hitanao va izany?

16 Iaveh no mpanjaka mandrakizay doria, ho voafongatra eo amin'ny taniny ny firenena.

17 Efa nihaino ny fanirian'ny ory hianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,

18 mba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny ampahoriana, ka hitsahatra tsy hampitahotra intsony, ny olombelona nalaina tamin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883