Ny Salamo
Salamo toko 100, 2.3.4.5.
<2Manompoa an'ny Tompo amin-kafaliana,
mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.
3Fantaro fa Andriamanitra, Iaveh;
izy no nanao antsika, ka azy isika,
vahoakany sy andian'ondriny amin'ny tanim-bilony.
4Avia ho eo ambavahadiny amim-piderana,
sy eo an-kianjany amim-pihirana;
ankalazao izy, isaory ny anarany.
5Fa tsara Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony,
ary maharitra amin'ny taona mifandimby ny fahamarinany. >