Ny Salamo
Salamo toko 101
Toetry ny mpanompon'Iaveh mahafatra-po azy.
1Salamon'i Davida.
Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no tiako hohiraina;
hianao Iaveh no tiako hankalazaina.
2Hitandrina ny làlan'ny tsy fananan-tsiny aho.
- Rahoviana no ho tonga aty amiko hianao? -
Handeha amin'ny fahitsian'ny foko aho, eo afovoan'ny tranoko.
3Eo anoloan'ny masoko aho,
tsy hanisy asa ratsy na inona na inona;
halako ny fitondran-tena ratsy;
tsy hipetaka amiko izany.
4Tsy mba ho fo mivaona ny ahy na oviana na oviana;
tsy te-hahalala izay ratsy akory aho.
5Hofongorako,
ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina.
Ny olona misolanandrana sy bontsinin'ny hambom-po,
tsy hotohako.
6Hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany, ny masoko,
mba hitoerany ato akaikiko;
izay mandeha amin'ny làlana marina,
no ho mpanompoko.
7Tsy mba hanan-toerana ao an-tranoko,
izay manao am-pitaka;
tsy hijanona eo anoloan'ny masoko,
izay milaza lainga,
8haripako isa-maraina
ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany,
mba hamongorako eo an-tanan'ny Tompo
izay rehetra manao ratsy. >