Ny Salamo

Toko faha-102

1 Vavaky ny ory, mivesa-pahoriana, sy mandoatra ny fitarainany eo anatrehan'ny Tompo.

2 Iaveh, henoy ny fivavahako,

3 ary aoka ho tonga hatrany aminao ny fitarainako. Aza manafina ny tavanao amin'ny andron'ny fahoriako, atongilano aty amiko ny sofinao, faingàna hamaly ahy, nony mitaraina aho.

4 Fa levona toy ny lasan-ko setroka ny androko, ary mirehitra, toy ny doran'ny afo, ny taolako.

5 Voajinja toy ny ahitra ny foko, ka malazo; hadinoko aza ny mihinan-kanina.

6 Tafaraikitra amin'ny taolako ny nofoko, azon'ny mitaraina sy misento.

7 Tahaka ny pelikano any an'efitra aho, ary zary toa vorondolo tokana an-tanàna haolo.

8 Tsy mahita tory aho mandritra ny alina, toa vorona manirery eny an-tafon-trano.

9 Tsiratsirain'ny rafilahiko tontolo andro aho, ary ny fahavaloko entim-pisafoahany mianiana ny hamono ahy.

10 Mihinan-davenona ho tahaka ny mofo aho, ary haroako ranomaso ny zavatra sotroiko;

11 noho ny hatezeranao amam-pahaviniranao, fa naingainao aho, ary natsipinao lavitra.

12 Tahaka ny aloka efa mandroso mihalava ny androko, ary mihamalazo toy ny ahitra aho.

13 Fa hianao kosa, ry Iaveh, dia mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana mandrakizay, ary velona amin'ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovanao.

14 Hitsangana hianao, hamindra fo amin'i Siona, fa ny andro hamindram-po aminy, ny fotoana voatendry dia efa tonga.

15 Satria lalain'ny mpanomponao ny vatony, nampangoraka ny fony hatramin'ny vovo-taniny.

16 Amin'izay dia hanaja ny anaran'ny Tompo ny firenena, ary hanaja ny fiandriananao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany.

17 Fa Iaveh nanangana an'i Siona indray, niseho tamin'ny voninahiny izy;

18 nihaino ny vavaky ny fadiranovana, tsy nanamavo ny fitarainany.

19 Aoka hatao an-tsoratra izany, ho an'ny taranaka ho avy; ary aoka hankalazain'ny firenena vao hiforona Iaveh.

20 Satria nitsinjo teny amin'ny havoany masina izy, satria nitsinjo ny tany teny an-danitra Iaveh;

21 mba hihaino ny fitarainan'ireo voababo, mba hanafaka an'ireo efa voatendry hovonoina ho faty,

22 mba hitorian'ireo ny anaran'ny Tompo ao Siona, sy ny fiderana azy ao Jerosalema;

23 raha avy izay hiangonan'ny firenena rehetra, mbamin'ny fanjakana, hanompo an'ny Tompo.

24 Efa nanaketraka ny heriko teny an-dàlana izy, efa nanafohy ny androko izy.

25 Hoy aho: Ry Andriamanitro, aza alainao aho eo an-tenantenan'ny androko, hianao izay aharetan'ny taonanao, amin'ny taona mifandimby.

26 Nanorina ny tany tamin'ny voalohany hianao, ary asan'ny tànanao ny lanitra.

27 Ho levona ireo, fa hianao kosa maharitra, hihatonta toy ny fitafiana ireo; hanova azy toy ny lamba hianao, ka ho voaova izy.

28 Fa hianao kosa maharitra tsy miova, ary tsy manam-pahataperana ny taonanao.

29 Ny zanaky ny mpanomponao honina amin'ny taniny, ary haharitra eo anatrehanao ny taranany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0361