Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 102, 2-3,16-18,19-21,

       <2Iaveh, henoy ny fivavahako,
       3ary aoka ho tonga hatrany aminao ny fitarainako.
Aza manafina ny tavanao amin'ny andron'ny fahoriako,
atongilano aty amiko ny sofinao,
faingàna hamaly ahy, nony mitaraina aho.
       16Amin'izay dia hanaja ny anaran'ny Tompo ny firenena,
ary hanaja ny fiandriananao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany.
       17Fa Iaveh nanangana an'i Siona indray,
niseho tamin'ny voninahiny izy;
       18nihaino ny vavaky ny fadiranovana,
tsy nanamavo ny fitarainany.
       19Aoka hatao an-tsoratra izany, ho an'ny taranaka ho avy;
ary aoka hankalazain'ny firenena vao hiforona Iaveh.
       20Satria nitsinjo teny amin'ny havoany masina izy,
satria nitsinjo ny tany teny an-danitra Iaveh;
       21mba hihaino ny fitarainan'ireo voababo,
mba hanafaka an'ireo efa voatendry hovonoina ho faty, >