Ny Salamo
Toko faha-103
1 Nataon'i Davida. Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko, ary misaora ny anarany masina, ry ato anatiko rehetra!2 Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa betsaka avy aminy.
13 Sahala amin'ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak'Iaveh an'izay matahotra azy.
14 Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika.
17 Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon'ny Tompo ho an'izay matahotra azy, sy ny fahamarinany amin'ny taranaky ny zanak'izy ireo,
18 dia amin'izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy.