Ny Salamo

Toko faha-103

2 Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa betsaka avy aminy.

3 Fa izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra.

4 Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-ponao.

5 Izy no manototra soa ny fanirianao, ary manavao ny fahatanoranao hanana ny herin'ny voromahery.

6 Manao ny fitsarana Iaveh, manome rariny an'izay rehetra nampahoriana.

7 Nampiseho ny làlany tamin'i Moizy izy, ary ny asany lehibe, tamin'ny zanak'Israely.

8 Mamindra fo sy miantra Iaveh, mahari-po sy be hatsaram-po.

9 Tsy mba ho mandrakizay no mandevilevy izy, tsy mitana fahatezerana mandrakizay.

10 Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika.

11 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany, no haben'ny hatsaram-pony amin'izay matahotra azy.

12 Tahaka ny halaviran'ny atsinanana amin'ny andrefana, no halaviran'ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.

13 Sahala amin'ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak'Iaveh an'izay matahotra azy.

14 Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika.

15 Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny,

16 ka vao tsofin'ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony.

17 Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon'ny Tompo ho an'izay matahotra azy, sy ny fahamarinany amin'ny taranaky ny zanak'izy ireo,

18 dia amin'izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0862