Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 103, 1-2,11-12,19-20ab,
Fiderana an'Andriamanitra noho ny hatsaram-pony.

       1Nataon'i Davida.
Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko,
ary misaora ny anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
       2Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko,
ary aza manadino ny soa betsaka avy aminy.
       11Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany,
no haben'ny hatsaram-pony amin'izay matahotra azy.
       12Tahaka ny halaviran'ny atsinanana amin'ny andrefana,
no halaviran'ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
       19Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra Iaveh,
ary mihatra amin'ny zavatra rehetra ny fanjakany.
       20Misaora an'ny Tompo hianareo anjeliny,
izay mahefa sy mahery sy mankato ny didiny,
amin'ny fanekena ny feon'ny teniny. >