Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 103, 6-7,8-9,10-11,12-13,

       <6Manao ny fitsarana Iaveh,
manome rariny an'izay rehetra nampahoriana.
       7Nampiseho ny l├álany tamin'i Moizy izy,
ary ny asany lehibe, tamin'ny zanak'Israely.
       8Mamindra fo sy miantra Iaveh,
mahari-po sy be hatsaram-po.
       9Tsy mba ho mandrakizay no mandevilevy izy,
tsy mitana fahatezerana mandrakizay.
       10Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika,
ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika.
       11Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany,
no haben'ny hatsaram-pony amin'izay matahotra azy.
       12Tahaka ny halaviran'ny atsinanana amin'ny andrefana,
no halaviran'ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
       13Sahala amin'ny fangoraky ny ray ny zanany,
no fangorak'Iaveh an'izay matahotra azy. >