Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 104, 1-2a.27-28.29bc-30.
Hira ho an'ny Mpahary.

       1Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko!
Iaveh Andriamanitra ô, lehibe tsy manampetra hianao!
Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana hianao!
       2Mihodidina amin'ny fahazavana toy ny amin'ny lamba izy,
mamelatra ny lanitra toy ny lay.
       27Izy rehetra miandry anao,
hanome ny haniny amin'ny fotoany.
       28Manome azy hianao, dia mandray izy;
manokatra ny tànanao hianao, dia voky ny soa avy aminao izy.
       29Manafina ny tavanao hianao, dia raikitahotra izy;
alanao indray ny fofon'ainy, dia maty izy,
ka miverina indray amin'ny vovoka.
       30Maniraka ny fofon'ainao hianao, dia hary ireny;
ary manavao ny tarehin'ny tany hianao. >