Ny Salamo
Toko faha-104
1 Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitra ô, lehibe tsy manampetra hianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana hianao!2 Mihodidina amin'ny fahazavana toy ny amin'ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.
5 Manorina ny tany eo amin'ny fanorenany izy, ka tsy mihetsiketsika mandrakizay io.
6 Nahodidinao azy, toy ny lamba, ny rano lalina, ka saron'ny rano ny tendrombohitra.
10 Mandefa loharano amin'ny lohasaha izy dia mandeha eny anelanelan'ny tendrombohitra ireny;
12 Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin'ny ravinkazo izy ireo.
24 Akory ity hamaroan'ny asanao, ry Iaveh: nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany.
35 Ho fongotra eto an-tany anie ny mpanota, ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy! Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko. Alleloia!