Ny Salamo
Toko faha-105
2 Mihirà ho azy, mankalazà azy! Torio ny fahagagana rehetra ataony.3 Mireharehà amin'ny anarany masina; hiravoravo anie ny fon'izay mitady an'ny Tompo.
4 Mitadiava an'ny Tompo sy ny heriny, aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
5 Tsarovy ny asa mahagaga nataony, ny fahagagana amam-pitsarana navoaky ny vavany,
6 ry taranak'i Abrahama mpanompony, tamingan'i Jakoba olom-boafidiny.
7 Izy Iaveh Andriamanitsika; mihatra amin'ny tany rehetra ny fitsarany.