Ny Salamo
Salamo toko 105, 4-5,6-7,8-9,
<4Mitadiava an'ny Tompo sy ny heriny,
aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
5Tsarovy ny asa mahagaga nataony,
ny fahagagana amam-pitsarana navoaky ny vavany,
6ry taranak'i Abrahama mpanompony,
tamingan'i Jakoba olom-boafidiny.
7Izy Iaveh Andriamanitsika;
mihatra amin'ny tany rehetra ny fitsarany.
8Tsaroany mandrakizay ny fanekeny,
ilay teny nolazainy marimarina ho an'ny taranaka mandimby;
9Fanekena nataony tamin'i Abrahama;
ary fianianana nataony tamin'Isaaka. >