Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 105, 6-7,8-9,42-43,

       <6ry taranak'i Abrahama mpanompony,
tamingan'i Jakoba olom-boafidiny.
       7Izy Iaveh Andriamanitsika;
mihatra amin'ny tany rehetra ny fitsarany.
       8Tsaroany mandrakizay ny fanekeny,
ilay teny nolazainy marimarina ho an'ny taranaka mandimby;
       9Fanekena nataony tamin'i Abrahama;
ary fianianana nataony tamin'Isaaka.
       42Fa tsaroany ny teniny masina,
sy Abrahama mpanompony.
       43Ka nentiny nivoaka tamin-kafaliana ny vahoakany;
ary tamin'ny hobim-pifaliana ny olom-boafidiny. >