Ny Salamo
Salamo toko 106, 19-20,21-22,23,
<19Nanao zanak'ombalahy izy teo an-tendrombohitra Horeba,
dia niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra anidina.
20Ny voninahitr'izy ireo, dia natakalony
sarin'omby miraoka ahitra.
21Nohadinoiny Andriamanitra Mpamonjy azy,
izay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
22fahagagana tany amin'ny tanin'i Kama,
famantarana teo amin'ny ranomasina Mena.
23Efa nolazainy haringana izy ireo;
raha tsy Moizy olom-boafidiny,
no nitsangana teo anatrehany
hisakana ny hatezerany tsy handringana azy. >