Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 107, 2-3.4-5.6-7.8-9.

       <2Izany anie no holazain'ireo navotan'ny Tompo,
dia ireo navotany ho afaka tamin'ny tanan'ny fahavalony,
       3sy nangoniny avy any amin'ny tany rehetra,
avy any atsinanana sy andrefana,
avy any avaratra sy any amin'ny ranomasina.
       4Nirenireny teny an'efitra ireny tamin'ny làlana mangingina,
tsy nahita tanàna iray akory honenana.
       5Nianjadian'ny hanoanana aman-ketaheta,
efa tsaroany reraka ny ainy.
       6Fa nitaraina tamin'ny Tompo tao anatin'ny fahoriany izy,
ka novonjeny ho afaka tamin'ny fahaporitany.
       7Nitondra azy tamin'ny lala-mahitsy izy,
hampahatongavany azy amin'ny tanana fonenana.
       8Hoderainy anie Iaveh noho ny hatsaram-pony,
sy noho ny fahagagana nataony ho an'ny zanak'olombelona!
       9Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afak'hetaheta,
ary ny fanahy noana novokisany soa. >