Ny Salamo

Toko faha-109

1 ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida. Ry Andriamanitra fiderako ô, aza mangina hianao!

2 Fa misokatra hamely ahy, ny vavan'ny ratsy fanahy, ny vavan'ny mpamadika. Fiteny mamitaka no itenenany hamely ahy,

3 hodidininy teny fankahalana aho, ary iadiany tsy ahoan-tsy ahoana izao.

4 Izy miady amiko ho valin'ny fitiavako, Izaho kosa tsy manao afa-tsy ny mivavaka.

5 Valiany ratsy ny soa nataoko, valiany fankahalana ny fitiavako.

6 Apetraho eo ambany fanapahan'ny ratsy fanahy izy; ary aoka ho eo ankavanany ny mpiampanga!

7 Raha tsaraina izy, aoka ho voaheloka no ivoahany, ary aoka hatao ho fahotana ny fivavahany.

8 Aoka hohafohezina ny androny, ary aoka ho lasan'ny hafa ny anjara raharahany!

9 Aoka ho tonga kamboty ny zanany, ary ho mpitondratena ny vadiny!

10 Aoka ho mpirenireny sy mpangataka ny zanany, ary hitady hanina lavitra ny tranony efa rava!

11 Aoka ho lasan'ny tompon-trosa ny ananany rehetra, ary aoka hofaohin'ny olon-kafa ny vokatry ny asany!

12 Aoka tsy hisy olona maharitra amin'ny fitiavana azy, aoka tsy hisy hiantra ny kambotiny.

13 Aoka hatototra ho amin'ny fandringanana ny taranany, ary aoka ho maty maso amin'ny taranaka faharoa ny anarany!

14 Aoka hotsarovana eo anatrehan'ny Tompo ny helo-drainy; ary tsy hovonoina ny fahotan-dreniny.

15 Aoka ho eo anatrehan'ny Tompo mandrakariva izany, ary hofoanany eto an-tany ny fahatsiarovana azy.

16 Satria tsy mba nahatsiaro ny hamindra fo izy, fa nanenjika ny ory sy ny mahantra.

17 Tia ozona izy, ka ianjerany, naneso tsodrano izy, ka halaviriny.

18 Ny ozona no notafiny toy ny lamba; miditra ao anatiny toy ny rano, ary maninteraka ny taolany, toy ny diloilo.

19 Ka dia io no aoka ho toy ny lamba ifonosany; sy sikina manodidina azy lalandava.

20 Izany no aoka ho tamby avy amin'ny Tompo ho an'ireo fahavaloko, sy ho an'ireo miteny ratsy mamely ahy.

21 Ary hianao, ry Iaveh Tompo, arovy aho noho ny anaranao; vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao lehibe.

22 Fa ory sy mahantra aho, ary voatsindrona ny foko ato anatiko.

23 Lasa toy ny aloka efa mandrorona aho, indaosina tahaka ny valala aho.

24 Mangozohozo ny lohaliko azon'ny fifadian-kanina, ary mihitsana ny nofoko azon'ny hia.

25 Ataon-dry zareo fandatsa aho, mihifikifi-doha izy mijery ahy.

26 Ampio aho, ry Iaveh Andriamanitro ô, vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao.

27 Aoka ho fantany fa ny tànanao, dia hianao Iaveh, no nanao izany.

28 Izy ireo manozona fa hianao kosa hitsodrano, izy ireo hitsanga-menatra, fa ny mpanomponao kosa hiravoravo.

29 Hitafy henatra ny fahavaloko, ary hanarona azy toy ny lamba ny fahamenarany.

30 Hidera an'ny Tompo amin'ny feo avo ny molotro; hankalaza azy eo afovoan'ny vahoaka be aho.

31 Fa nitsangana eo ankavanan'ny mahantra izy hamonjy azy amin'izay manameloka azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0391