Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 109, 21-22,26-27,30-31,

       <21Ary hianao, ry Iaveh Tompo, arovy aho noho ny anaranao;
vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao lehibe.
       22Fa ory sy mahantra aho,
ary voatsindrona ny foko ato anatiko.
       26Ampio aho, ry Iaveh Andriamanitro ô,
vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao.
       27Aoka ho fantany fa ny tànanao,
dia hianao Iaveh, no nanao izany.
       30Hidera an'ny Tompo amin'ny feo avo ny molotro;
hankalaza azy eo afovoan'ny vahoaka be aho.
       31Fa nitsangana eo ankavanan'ny mahantra izy
hamonjy azy amin'izay manameloka azy. >