Ny Salamo
Salamo toko 11
Mandry fahizay ny fanahy matoky an'Andriamanitra.
1Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida.
Iaveh no itokiako;
ka ahoana no ilazanareo amin'ny fanahiko hoe:
Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?
2Fa indro ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany;
nametaka tamin'ny tady ny zana-tsipìkany;
mba hitifirany ny olona mahitsy fo, ao amin'ny maizina.
3Raha rava ny fanorenana,
inona indray no azon'ny marina atao?
4Iaveh izay ao amin'ny tempoliny masina,
Iaveh izay manana ny seza fiandrianany any an-danitra,
dia mana-maso mahiratra;
ary ny hodi-masony mizaha ny zanak'olombelona hatr'ao anatiny.
5Mizaha ny marina hatr'ao anatiny Iaveh;
fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny izy.
6Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana ny ratsy fanahy;
rivo-mahery no ho anjara kapoakan'ireny.
7Fa marina Iaveh ka ny fahamarinana no tiany;
ny mahitsy fo no hibanjina ny tavany. >