Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 111, 1-2,3-4,5-6,
Ny soa nataon'Andriamanitra tamin'ny vahoakany. Aleloia!

       1ALEPH
Sitrako ny midera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra,
BETH
eo amin'ny fivorian'ny olo-marina sy ao amin'ny fiangonana.
       2GHIMEL
Lehibe ny asan'ny Tompo;
DALETH
katsahin'ny olona izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy.
       3HE
Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany,
VAV
ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
       4ZAIN
Namela fahatsiarovana ny fahagagana nataony izy;
HETH
mamindra fo sy miantra Iaveh.
       5TETH
Nomeny hanina izay matahotra azy;
YOD
tsaroany mandrakizay ny fanekeny.
       6KAPH
Naharihariny tamin'ny vahoakany ny herin'ny asany,
LAMED
tamin'ny nanolorany azy ny lovan'ny firenena. >