Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 111, 1-2,3-4,7-8,
Ny soa nataon'Andriamanitra tamin'ny vahoakany. Aleloia!

       1ALEPH
Sitrako ny midera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra,
BETH
eo amin'ny fivorian'ny olo-marina sy ao amin'ny fiangonana.
       2GHIMEL
Lehibe ny asan'ny Tompo;
DALETH
katsahin'ny olona izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy.
       3HE
Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany,
VAV
ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
       4ZAIN
Namela fahatsiarovana ny fahagagana nataony izy;
HETH
mamindra fo sy miantra Iaveh.
       7MEM
Rariny amam-pahamarinana ny asan'ny tanany,
NUN
tsy mety miova ny didiny rehetra.
       8SAMECH
Voaorina mafy ho mandrakizay ireny,
AIN
fa natao tamim-pahamarinana amam-pahitsiana. >