Ny Salamo

Toko faha-112

1 ALEPH Sambatra ny olona matahotra an'ny Tompo, BETH izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin'ny fitandremana ny didiny.

2 GHIMEL Hahery ambonin'ny tany ny taranany; DALETH hambinina ny taranaky ny marina.

3 HE Fiadanana sy harena no ao an-tranony; VAV ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

4 ZAIN Fahazavana no miposaka ao amin'ny aizina ho an'ny olo-mahitsy. HETH ho an'izay mamindra fo sy miantra ary marina.

5 TETH Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; YOD hahery an'ady izy, eo amin'ny fitsarana.

6 KAPH Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, LAMED hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.

7 MEM Tsy mba matahotra ampandrenesina loza izy NUN miorina mafy ny fony, matoky an'ny Tompo izy;

8 SAMECH tsy nety nihozongozona ny fony, tsy matahotra izy AIN mandra-pahitany ny fahavalony hoe resy.

9 PHE Mamafy fiantrana izy, manome ny mahantra. TSADE maharitra mandrakizay ny fahamarinany; KOPH misandratra amim-boninahitra ny tandrony.

10 RESCH Mahita izany ny ratsy fanahy ka lotika, SCHIN mihidy vazana ary hanin'ny fialonana; THAV ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0379